Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : fanatsarana ny asa ny fampodiana mpiasa avy any ivelany 

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : fanatsarana ny asa ny fampodiana mpiasa avy any ivelany 

Ho fanatsarana ny fahombiazan’ny solontena malagasy any ivelany ny hampodiana ireo mpiasa eo anivon’ny masoivoho any ivelany. Izay ny anton’ny fampodiana ireo mpiasa eo anivon’ny masoivoho malagasy any ivelany, araka ny fanambarana nampitain’ny eo anivon’ny minisitera Raharaham-bahiny (MAE), ny 11 septambra lasa teo. Izany dia manoloana ny fisian’ny fampiakaram-peo ataon’ny sasany ny amin’ny fepetra amin’ny fanatsarana eo anivon’io minisitera io.

Itakiana mpiasa matihanina ary manana fahaiza-manao kokoa eo amin’ny sehatry ny diplaomasia izay fepetra fanatsarana ny asa sy ny fomba fiasa izay. Vokatr’izay, manomboka izao: ampiharina ny fitsipika amin’ny fanendrena ireo diplaomasia sy ny solontena eo amin’ireo firenena any ivelany. Ao anatin’izany ny eo amin’ny sehatra fanofanana, ny traikefa, ny fampanantenana ny vokatry ny asa…

Tena zava-dehibe ny amin’ny karama

Amin’izay fanatsarana ny asa sy ny fomba fiasa mitarika ny fampodiana mpiasa izay, tena zava-dehibe ny amin’ny karama. Mila haverina hodinihina mba tena hifototra sy hifanaraka amin’ny asa atao ny karama, misy ny tsy ara-dalàna sy tafahoatra. Rehefa jerena, ohatra, ny karama isam-bolana, tafakatra 75 tapitrisa Ar, ary ny any ambasadaoro iray, mahatratra 130 tapitrisa Ar. Nefa tsy misy vokatra mivaingana maharesy lahatra nandritra ny taona maro.

Manala baraka ny firenena, voalaza fa anisan’ny mahantra indrindra eran-tany, ireo fidangan’ny karama ireo. Amin’izao fanatsarana eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny izao, tsy ny karama ihany no haverina amin’ny laoniny ho araka ny tokony ho izy fa ny isan’ireo mpiasa ea anivon’ny masoivoho hahitam-pahombiazana. Fantatra fa tafakatra 12 miliara Ar isan’enim-bolana ny hiditra amin’ny fanjakana amin’izany.

Randria

Les commentaires sont fermées.