Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nandray anjara tamin’ny fikaonandoha momba ny tanora ny Mpanazava eto Madagasikara tao amin’ny Arrupe CSA Faravohitra ny 13 sy 14 septambra. Niompana tamin’ny fandalinana siantifika ny toeran’ny tanora eo amin’ny fampananana asa sy ny teknolojia ny andro voalohany. Nifantoka tamin’ny tanora sy ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahasalamana ary koa ny tanora sy ny fiarahamonina kosa ny andro faharoa.

Nanomboka, omaly, ny « transcription » ho an’ny naoty amin’ny fanadinam-panjakana BEPC, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ny Cisco. Efa misy ny « logiciel » efa fampiasa mahazatra hisorohana ny diso, mbola arahina fanaraha-maso koa izany avy eo. Tombanana hivaly ny faran’ny herinandro izao ny fanadinana eto amin’ny Renivohitra, misy ny Cisco efa nahatontosa ny famoahana.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique