Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fotodrafitrasa: hiezaka ho matihanina ny Fom

Fotodrafitrasa: hiezaka ho matihanina ny Fom

Mirotsaka an-tsehatra tsikelikely maka ny toerany.  Naneho fahavononana hamaly ny filana eo amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa araka ny tolobidy ny eo anivon’ny Fikamban’ny orinasa (Fom), ahitana ireo orinasa madinika sy salantsalany. “Hofanina ho sahy hisehatra amin’izany ireo mpikambana mba  ho matihanina sy hanana kalitao tsara amin’ny fanatanterahana  ny  asa.  Eo koa ny lafiny lalàna eo amin’ny  fandraharahana sy  ny tontolon’ny hetra. Mametraka  izany fanamby izany  izahay”, hoy ny filohan’ny Fom, Tsiranana Fanoi, omaly tetsy Anosy. Noraisin’ny minisitry ny Fanajariana  ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy (MAHTP), Andrianainarivelo Hajo  izy ireo tamin’izany. Nambaran’ny eo anivon’ny  Fom  fa mbola dinika  savaranonando izao natao  izao. Anisan’ny voaresaka koa ny fiarovana eo amin’ny tontolon’ny fananantany. Misehatra amin’ny tontolon’ny fambolena  sy ny fiompiana rahateo ny Fom, ankoatra ireo eo amin’ny asa vaventy (BTP)  sy ny varotra ary koa ny asa tanana…

Mitaky fenitra  sy  fahaiza-manao

Anisan’ny mampiavaka azy ireo ny maha tanora sy fahamaroan’ny vehivavy misehatra amin’izany fitantanana orinasa izany.

Etsy andaniny, nahitsy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo nilaza fa mitaky fanarahana fenitra sy ny fahaiza-manao ny asa rehetra ary tafiditra ao anatin’izany koa  ny fiaraha-miombona antoka amin ‘ny sehatra tsy miankina vahiny na teratany sy ny  fanjakana (3P).  Noraisiny ohatra ny fanamboaran-dalana etsy  Ankorondrano.  Ny fidirana an-tsehatry ny orinasa Malagasy amin’ny  fanamboarana ny lalana any Foulpointe, ankoatra ireo vahiny efa misahana izany.

Synèse R.

 

 

Les commentaires sont fermées.