Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fonjamby – «World Championships»: efatra mianadahy misolo tena an’i Madagasikara

Nanomboka, omaly, any Pattaya, Thailande, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ny taranja fibatana fonjamby. Manana solontena miisa efatra i Madagasikara hiatrika izany fifaninanana goavana izany. Isan’izany Andriantsitohaina Eric, sokajy latsaky ny 61 kg, Andriantsitohaina Tojo, latsaky ny 67 kg, Ravololoniaina Vania, latsaky ny 64 kg, ary Randafiarison Rosina, latsaky ny 49 kg. Efa any an-toerana ankehitriny ireto mpibata fonjamby malagasy ireto izay niainga teto an-tanindrazana ny asabotsy lasa teo. Goavana ity fifaninanana hatrehina ity ka efa tsara fanomanana izy efatra mianadahy ireto, araka ny nambaran’izy ireo. Fandresena rahateo no tadiavina ka tsy maintsy nanoman-tena mafy. Tsahivina fa isan’ny nitondra avo ny voninahi-pirenena ireto solontena tsia ireto, tamin’ireo lalao iraisam-pirenena maro, raha tsy hiteny afa-tsy i Rosina, nisalotra sahady ny medaly volamena 15 sy volafotsy telo tamin’ity taom-pikatrohana ity. Mbola mampanantena ny hanome ny tsara indrindra hatrany izy ireo na mafimafy kokoa aza ity fiadiana ny tompondaka eran-tany, tanterahina any Thailande, nanomboka omaly hatramin’ny faha-27 septambra ho avy izao, ity.

Araka ny fantatra, rahampitso 18 septambra no hanomboka hiakatra an-tsehatra ireto solontena malagasy ireto.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.