Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitananam-bola eny amin’ny oniversite: ho avy ny « agent comptable » hanatsara ny fomba fiasa

Fitananam-bola eny amin’ny oniversite: ho avy ny « agent comptable » hanatsara ny fomba fiasa

Anisan’ny voadinika tao anatin’ny tombana nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Banche Nirina Richard, ho an’ny iray volana nandraisany ny fitantanana fa tsy maintsy hapetraka ny fitantanam-bola mangarahara eny anivon’ny oniversite sy ny sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana. Ho avy isaky ny ivontoeram-pampianarana ny « agent comptable » ho fanatsarana ny fomba fiasa hialana amin’ny gaboraraka. Ho an’ny oniversite sy ny IST aryny sekoly ambony, nomena toe-bola avy amin’ny minisitera mpiahy izy ireo. Tokony harahina ny fomba fitantanam-bola ka anisany ny fangatahana alalana avy amin’ny  filoham-pirenena raha mihoatra ny 200 tapitrisa Ar ny vola havoaka hanaovana asa na zavatra hafa. “Rehefa mazava ny fomba fitantanana, azo atao tsara ny miaro ilay sampandraharaha raha misy ny tombana avy eo”, hoy ny tale jeneralin’ny fampianarana ambony, Razaranaina Jean Claude.

Ho an’ny mpiasan’ny minisitera na mpampianatra hamita iraka any ivelany kosa, ilaina ny fangatahana fahazoan-dalana avy amin’ny tomponandraikitra ialohavan’ny fampahafantarana ny dia atao. Natao izany hiarovana ny mpiasa mivoaka ivelan’i Madagasikara raha sendra tojo olana ilay mpamita iraka ao anatin’ny asany.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique