Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadinana BEP: 8577 ireo mpiadina manerana ny Nosy

Fanadinana BEP: 8577 ireo mpiadina manerana ny Nosy

Nanomboka, omaly ny fanadinana BEP na « Brevet d’étude professionnelle » manerana an’i Madagasikara. Mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 72 ireo mpiadina miisa 8 577. Eto Antananarivo avokoa ny 4 077 amin’ireo mpiadina ireo. Miatrika ny fanadinana momba ny fitantanana ny 2 976 amin’ireo ary telo monja ireo hiadina ny lalam-piofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana.

Foibem-panadinana ho an’ny mpiadina ao Antsirabe ny lycée teknika ao an-toerana. Haharitra efatra andro na dimy andro eo ity fanadinana ity, arakaraka ireo sampam-piofanana.
Araka izany, sampam-piofanana 11 ny hanaovana fanadinana, mizara sokajy efatra : « industrielle », « électro-technique, tourneur, ouvrage métallique, maintenance automobile », « génie civil », « agriculture et élevage ».

406 ireo mpiadina nandrasana, saingy tsy tonga ny dimy. Marihina fa misy foibem-panadinana ihany koa eny amin’ny Saint Jean Andraikiba ho an’ny sampana fambolena sy fiompiana. Navondrona ao amin’ny lycée teknika Antsirabe avokoa ny fitsarana ny taratasim-panadinana, araka ny nambaran’ny “proviseur” sady lehiben’ny foibem-piofanana, Rakotomahefa Julien. Vinavinaina amin’ny talata 24 septambra izao ny fivoahan’ny valim-panadinana.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique