Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanabeazana: ironana ny kanto malagasy

Fanabeazana: ironana ny kanto malagasy

Ankoatra ireo taranja mahazatra, efa maro ny sekoly mampiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny « activités parascolaires ». Raha ny fanadihadiana natao, mirona kokoa any amin’ny fampianarana ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy izy ireny. Anisan’izany ny fampianarana kabary, ny valiha, ny fomba amam-panao malagasy, ny teatra klasika malagasy, sns. Fantatra fa anisan’ny nahatonga izany ny fahitan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly (tale, mpampianatra, mpanabe, mpandrindra…) fa miha tsy mahafantatra ny maha izy azy intsony ny mpianatra. «… Sady tsy mahalala ny maha izy azy intsony ny mpianatra… Na mahalala ihany fa minia mamingavinga ireny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ireny noho ny antony maro… Noho izany, mila asongadina eo anatrehany fa tsy manam-paharoa ny lanja aman-kasina ananan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy », hoy ny talen-tsekoly iray eto an-dRenivohitra.

Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa misy mihitsy ny sekoly mampiditra ny isa azon’ny mpianatra amin’ny « actvités parascolaires »  ao anatin’ny tambatrisa ahafahan’ny mpianatra iray mifindra kilasy na tsia.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.