Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famoahana vaovao tsy marina: hivoaka ny alakamisy ny didy

Famoahana vaovao tsy marina: hivoaka ny alakamisy ny didy

 

Niakatra fitsarana, omaly tetsy Anosy, ny ambara fa namoahan’ny mpanao gazety miisa efatra mianadahy vaovao tsy marina. Naharitra ora telo be izao ny fifandaharana tamin’izany ary natrehin’ireo mpanao gazety maromaro sy ny avy amin’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Fantatra tamin’izany fa hivoaka ny alakamisy 19 septambra izao ny didim-pitsarana momba ity raharaha ity. Anisan’ny niompanan’ny fanontanian’ny mpitsara ny momba ny loharanom-baovaon’ireo mpanao gazety. Tsiahivina fa resaka helikoptera tetsy Mahamasina ny nanenjehana azy ireo. Notanana natao andrimaso tao amin’ny BC Anosy ny mpanao gazety iray sy ilay tale ao amin’ny CUA ary navotsotra tamin’izany avy eo.  Niakatra fampanoavana avy eo ary samy afaka nody taorian’izany ary izao nandalo ny fitsarana izao indray. Araka izany, andrasana ny didy havoakan’ny fitsarana momba azy ireo.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.