Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Betsaka ny ezaka vita tao anatin’ny 32 taona: ho sitrana tanteraka ny sosona ozona, ny taona 2060

Betsaka ny ezaka vita tao anatin’ny 32 taona: ho sitrana tanteraka ny sosona ozona, ny taona 2060

32 taona nanapahan-kevitra ny fikambanana iraisam-pirenena fa mila arovana ny sosona ozona fa tandindomin-doza ny tany noho ny fahasimbany ka miteraka fiakaran’ny hafanana sy ny fiovan’ny toetr’andro.

Nisy fifanarahana momba ny fiarovana ny sosona ozona natao tany Vienne sy tany Montréal, nodinihina teo anivon’ny Fandaharanaan’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iaiana (PNUE). Natao sonia ny fifanarahana, ny taona 1985 sy ny taona 1987, ary nankatoa ny firenena eran’izao tontolo izao. Vokany, efa nihena 80% mahery ny fihenan’ny famokarana sy ny fanjifana akora manimba ny sosona ozona, araka ny fanazavana nentin’ny tomponandraiktiry ny “point focal” misahana ny sosona ozona, Rabemananjara Rivo, omaly teny Antsahavola. Miaro ny tany amin’ireo taratra mampido-doza avy amin’ny masoandro ny sosona ozona. Tao anatin’ny 32 taona, efa nihena ny trangana aretina homamiadana, ny fahajambana ary efa nitombo ny hery fiarovan’ny vatan’olombelona noho ny ezaka samihafa nataon’ny tsirairay iarovana ny sosona ozona.

Ho an’ny ilabolan-tany atsimo izay misy an’i Madagasikara, ny taona 2060 no ho sitrana tanteraka ny sosona ozone raha mitohy ny ezaka, 1 ka hatramin’ny 3% ny fahasitranana isaky ny 10 taona.

Nomarihina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny sosona ozona ary lohahevitra ny hoe « 32 taona ary an-dalam-pahasitranana ».

Tokony hojerena hatrany ny entona amin’ny fitaovana

Ho an’ny eto Madagasikara, miara-miasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fadin-tseranana ary ny minisiteran’ny Varotra amin’ny fanaraha-maso ny fitaovana ahitana ny entona manimba ny sosona ozona (SAO). Tafiditra ao ny vata samihafa fampangatsiahana, ny “congélateur”, ny “climatiseur”, ny fanafody famonoana biby amin’ny fambolena…

Entanina, noho izany, ny mpanjifa ireny karazam-pitaovana ireny hijery tsara raha misy entona manimba ny sosona ozona na tsia ilay fitaovana fa voasoratra amin’ny fonony izany. Rehefa simba koa ilay fitaovana, tokony ho teknisianina manana fahaizana momba ny « froid » no alaina hanamboatra.

Vonjy A.   

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique