Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety: voaroaka toy ny mpangalatra ny mpanao gazety

Nahatratra ny tanjona, ary afa-po fa feno ny lapan’ny Fanatanjahantena ka tsy te hahalala ny mpanao gazety intsony ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB). Izay ny azo ilazana ny zava-nitranga, nihatra tamin’ny mpampahalala vaovao, ny alahady lasa teo, nandritra ny lalao famaranana, niadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy N1A. Fandroahana, tamin’ny fihetsika feno avonavona sy tsy misy fanajana, ny nataon’ny tovovavy misahana ny fametrahana ireo mpijery, ny mpanao gazety, niperaka tamin’ireo seza ao anaty lapa.

Tsy nisy fanazavana fa hoe : baiko avy any ambony ka tsy maintsy miala ianareo. Raha mba niangavy tamim-panajana ilay tovovavy, tsy nampaninona fa toy ny mandroaka olona tsy misy fotony ireny.

Tsy vao izao fa efa ela ny malaza miavonavona sy manambany mpanao gazety ny eo anivon’ny basikety. Tokony hotadidin’izy ireo fa tsy miroborobo toy izao ny basikety raha tsy teo ny mpanao gazety mitatitra ireo vaovao, saingy efa misongadina, ankehitriny, ka mieboebo ho mahavita tena.

 

Tompondaka

 

 

 

Les commentaires sont fermées.