Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nibaribary ireo fako avy amin’ny orinasa

Nibaribary ireo fako avy amin’ny orinasa

Aman-taony maro ny nitarainan’ny vahoaka mikasika ny fako arian’ireo orinasa manamorona ny lakandranon’i Pangalana eto Toamasina. Nanampi-maso izany rahateo ny tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana. Saingy, nahita maso izany gaboraraka rehetra izany ny filoha Rajoelina ny asabotsy teo. Fako sy loto toy ny menaka, ny solika, ny fonosana platsika,… avarin’ireo orinasa any anaty rano. Nandritra ny fandehanana an-tsambo teny amin’ny lakandron’i Pangalana, nilaza ny tompon’andraikitra iray amin’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, fa misy kolikoly avo lenta ataon’ireo Karana tompon’ireo orinasa ka tsy sahy mandray fepetra ny tompon’andraiki-panjakana.

Nilaza ny mponina eny Ampasimazava, eny Depot ary eny Anjoma fa misy fofona menaka maimbo isaky ny amin’ny 3 ora hatramin’ny 4 ora maraina. Anisan’ireo manary ny fakony sy ny lotony ao amin’ny lakandranon’i Pangalana ny orinasa mpanamboatra menaka, mpanamboatra savony ary mpaninjara solika.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.