Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola: hanao ranolava ny fitsarana eny amin’ny Pac ireo « trondro vaventy »  

 

Miditra amin’ny andiany faharoa. Hanomboka anio hatramin’ny 20 septambra izao indray, araka ny loharanom-baovao, ny fampiakarana fitsarana na ny fampanoavana ireo raharaha momba ny kolikoly mahavoasaringotra ireo olon-tsotra na ny mpandraharaha na koa ny tompon’andraikitra ambony sy “trondro vaventy”. Handray an-tanana izany ny eny anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 ha. Efa vita ny dingana voalohany, natao ny 19 hatramin’ny 27 aogositra teo. Antontan-taratasy miisa 13 ny nandalo teo amin’izy ireo tamin’izany ka voatsara ny 10. Ny telo hafa kosa, mbola haverina amin’ny fotoana manaraka. Miisa 60 ireo voampanga sy nahina tamin’izany ka efa voaheloka ny 13 amin’izy ireo ary nahazo fahafahana kosa ny 39.

Naiditra am-ponja ny vadina minisitra iray…

Tsiahivina fa anisan’ny efa niakatra notsaraina tamin’izany andiany voalohany izany ny mpandraharaha isany, Razaimamonjy Claudine sy Rajaonah Mbola. Anisan’izany koa ary vao ny 6 septambra teo ny vadina minisitra iray teo aloha sy ny vadina manamboninahitra iray eo anivon’ny polisim-pirenena. Niainga tamin’ny fitorian’ny Samifin ny raharaha ary izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja eny Antanimora azy ireo izao.

Araka izany, andrasana indray ireo “trondro vaventy” manaraka tafiditra amin’ny resaka kolikoly na koa ny fanodinkodinam-bolam-panjakana eto amintsika.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.