Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsiranana: manohana ny orinasa madinika ny BNI

Antsiranana: manohana ny orinasa madinika ny BNI

Nampahafantarina tany Antsiranana, ny 11 septambra teo, ny tolotra Kred ao amin’ny BNI Madagascar, natokana indrindra ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Manampy ireo orinasa tena madinika, mety tsy ao anatin’ny rafitra ara-dalàna, sy ireo efa ao anatin’ny rafitra, ny Kred amin’ny sehatra misy azy ireo, hahazoana famatsiam-bola. « Mora atao sy tsotra, mamaly ny filàna eo amin’ny famatsiam-bola, amina zanabola ambany », hoy ny tale jeneraly lefitra, i Adrian Chindris.

Volana vitsivitsy izay nampiasana Kred izay, mpanjifa anarivony avy amin’ny faritra maro no efa nangataka izany ary mitohy ny fanokafana azy any amin’ny masoivohon’ny BNI any amin’ny tanàna hafa.

Miara-miasa amin’ny fanjakana ny BNI amina fanomezana fampindram-bola ho an’ireo mpiompy omby vavy beronono, tany Antsirabe, tamin’ny tetikasa Fihariana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, ny tolotra Kred indray izao heverina hanome aina vaovao ho an’ireto mpandraharaha ireto any amin’ny faritanin’Antsiranana.

Nanatrika ny fotoana ireo manam-pahefana, ny mpandraharaha any an-toerana. Teo anatrehan’ireo ny nanehoan’ny ekipan’ny Kred ny fahavononany hanampy ireo mpandraharaha ho fampiroboroboana ny orinasa madinika sy salantsalany. Miaraka amin’izany ny fampiasana teknolojian’ny serasera mifandraika amin’ny fitantanam-bola, izay mbola tena lavitra raha ny fampiasana izany eto Madagasikara ho an’ny famoronana asa.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.