Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampangabe: raim-pianakaviana iray hita faty teo amin’ny tetezana

Fatin-dehilahy iray 35 taona hita faty teny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka sy Ampangabe, ny asabotsy tolakandro tamin’ny 4 ora. Nentina avy hatrany tao amin’ny fokontany Andohavato, kaominina ambanivohitr’Ampangabe, ny razana rehefa avy nampandrenesin’ny fokonolona ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Tonga nanao fizahana ny razana tao amin’ny fokontany ny zandary niaraka amin’ny dokotera. Tsy mbola fantatra mazava aloha, hatreto, ny antony nahafaty ity raim-pianakaviana ity. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy rahateo tany aminy tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Nanapa-kevitra rahateo ny eo anivon’ny fokontany fa halevina avy hatrany ny razana rehefa tsy misy maka na tsy fantatra ny fianakaviany. Mbola hita teny aminy fitafiany. Ny fanadihadian’ny zandary no hamantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity na vonoan’olona na zava-kafa ny nahafaty ity niharam-boina ity.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.