Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

118 taona aty aoriana: havaozina ny lakandranon’i Pangalana

118 taona aty aoriana: havaozina ny lakandranon’i Pangalana

Lava indrindra eto Madagasikara ny lakandranon’i Pangalana, mirefy  656 km. Fotodrafitrasa nataon’ny Malagasy fony fahampanjaka sy ny fanjanahantany, miala eo Toamasina hatrany Mananjary.

Nisantatra ny asa fanadiovana sy fanavaozana ny lakandranon’i Pangalana ny filoha Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo tany Toamasina. Nambarany fa ny taona 1827, fony ny mpanjaka Radama I, ny asa voalohany nisantarana azy, hitaterana ny vokatra avy any amin’ny tsapany atsimo atsinanan’ny Nosy mihazo ny seranan-sambon’i Toamasina. Notohizana izany ny taona 1901, fony fanjanahantany. Nisy ihany ny taona 1988, saingy tsy vita araka ny tokony ho izy. Misy indray ny fikojakojana sy ny fanavaozana azy ankehitriny, ahafahana mamoaka ny vokatra letisia, ny lavanila, ny akondro, sns. Hanome lanja ny fizahantany koa, hampifandray ny Malagasy, sady hamorona asa ho an’ny tanora.

Haharitra efa-bolana ny asa

Hatomboka ny asa fa tsy iandrasana mpamatsy vola. Hanampy avy eo ny fanjakana maraokanina, efa nisy ny fifanarahana mikasika izany. Aorian’ny fahavitany, hisy sambo lehibe afaka mitatitra mpizahatany sy hivezivezen’ny Malagasy. Haharitra efa-bolana ny asa, mizara ampahany efatra. Miainga eo Toamasina hatrany Vatomandry, mitohy hatrany Mahanoro, mahazo an’i Farafangana ary mifarana any Mananjary. Hadina hatrany amin’ny 1,5 metatra ny halalin’ny rano ary 12-14 metatra ny sakany. Midika ireo fa tokony ho vita mialoha ny faran’ny taona 2019 na fiandohan’ny taona 2020 ity asa ity raha ela indrindra.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.