Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sg Madagasikara: tohanana ny fambolena

Miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa ny banky Société générale (SG) Madagasikara hampandrosoana ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Ankoatra ny fampindramam-bola ny mpandraharaha amin’ny fambolena, ny fanodinam-bokatra, sns, misy koa ny fanohanana mivantana ny tantsaha mpamokatra. Iarahan’ny SG Madagasikara sy ny fikambanana Care Madagasikara ny tetikasa Ombona, fomba fitahirizam-bola iombonan’ny fikambanana tantsaha Voamami, ka hafindra ho lasa kaonty amin’ny banky. Azo antoka ny fitahirizam-bolan’ny mpikambana sady manara-penitra. Ho an’ity taona 2019 ity, nahatratra dimy ny Voamami nampiasa ny kaonty iombonana ary hisy 20 hafa ihany koa.

Tolotra manokana

Mandray anjara amin’ny foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, atao eny Tanjombato (12 hatramin’ny 15 septambra), ny SG Madagasikara, hanehoany an’izay fanohanany ny sehatry ny fambolena izay. Ezahiny koa ny manangana masoivoho sady manakaiky ny mpamokatra sy ny toerana manana otrikarena amin’ny fambolena sy ny varotra, toy ny any Ambatondrazaka, Mahanoro, sns. Tanjona ny hamaliana ny filàn’ny mpanjifa.

Mandritra ity foara ity, maro ny tolotra manokana ho an’ny mpitsidika sy ny matihanina  amin’ny fambolena mikasika ny fampindramam-bola mandritra ny fotoana antoniny, ny famatsiam-bola hividianana fitaovam-pamokarana, na hampitomboana ny renivola, sns.

Njaka A.

 

 

Les commentaires sont fermées.