Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Tsinjaka be andiany fahatelo: hiara-dalana ny lavalava sy ny hirahira

Hiavaka, tsy toy ireo andiany roa voalohany, ny andiany fahatelo, amin’ny rugby Tsinjaka be. Hetsika, hotanterahina, ny alahady 15 septambra ho avy izao, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Hiara-dalana mantsy ny baolina lavalava sy ny hirahira, araka ny nambaran-dRakotomanalina Veve, filohan’ny SPC Presse – Evenèment, mpikarakara ny fihaonana. Hanokatra ny fotoana, ny fihaonana telo goavambe, eo amin’ny rugby. Hisantatra izany,   amin’ny 9 ora maraina ny SCB Besarety sy ny 3FAI. Aorian’io, amin’ny 11 ora ny fifandona’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA (Boaikely manohitra) ary amin’ny 1 ora sy sasany no hifampitana ny CNaPS Sport sy ny Tam Anosibe. Samy hotolorana lelavola sy amboara ireo mpandray anjara rehetra. Manomboka amin’ny 3 ora kosa ny rindran-kira, iarahana, amin’i Tsota, Lion Hill, Bolo Pix, Wada sy Yoongs ary i Mijah. Tanjon’ny mpikarakara, ny hanome fahafinaretana ny rehetra, indrindra ireo ankizy avy nanala ny fanadinana BEPC.

Noezahin’ny mpikarakara, nampanantonina ny vahoaka ny rugby Tsinjaka be, andiany fahatelo.

 

Tompondaka

 

 

Les commentaires sont fermées.