Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kabary: feno 10 taona ny Fimpima Frantsa

Kabary: feno 10 taona ny Fimpima Frantsa

Maro ny Malagasy monina any Frantsa tsy mahay na tsy mahafehy ny teny malagasy intsony. Izay no anisan’ny antom-pisian’ny sampana Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima) Frantsa, mampianatra kabary, ny fomban-tany ary ny teny malagasy mihitsy. Feno 10 taona, ankehitriny, ny niorenany ka mahatratra 430 ny mpikambana raha 11 monja tany am-piandohana (2009), miparitaka amin’ny sampana 12. Ampolony ny rantsam-pampianarana, ahitana ny “taniketsa” atokana ho an’ny ankizy, ny “takalo” ho an’ny lehibe. Anisan’ny mampiavaka ny Fimpima Frantsa ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra “Skype”. Iray amin’ireo firenena valo ahitana Fimpima ny any Frantsa.

Nilaza ny filohan’ny Fimpima Frantsa, Ramandraivonona Dera, fa « fomba hanehoanay Malagasy aty ampitan-dranomasina ny fitiavan-tanindrazana ny kabary ». Nomarihin-dRtoa Andriamboavonjy Hanitra, filohan’ny Fimpima maneran-tany, fa “anarivony ny mpikambana ankehitriny, raha 14 mirahalahy ny nanorina azy, 55 taona lasa, ny taona 1963”. Anisan’ny hanamarihana ny taon-jobily ny any Toulouse, Rennes, Bordeaux, Lyon ary hatao any Paris ny mey 2020 ny ivon’ny fankalazana.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.