Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fidirana internet – Orange : « Lémuriia » tolotra iray vitan’ny tanora ho an’ny mpandeha

Fidirana internet – Orange : « Lémuriia » tolotra iray vitan’ny tanora ho an’ny mpandeha

Tolotra vaovao naroson’ny Orange Madagascar, omaly, hanitarana hatrany ny fahazoan’ny rehetra miditra amin’ny  internet. Hita izany amin’ny tolotra fampiasana Facebook, manatevina isan’andro ny hahamaivana ny fidirana amin’izany tambajotra izany. 30 andro ny Facebook flex, miverina indray rehefa mampiditra fahana 500 Ar na mihoatra. Misokatra rahateo ho an’ny rehetra izao ny fibre optique, izay Orange nampifandray voalohany an’i Madagasikara  amin’ny any ivelany amin’ny fibre cable lion ambany ranomasina, ny taona 2009. Ny “Free Basics”, ohatra, manao izay hidiran’ny rehetra afaka mampiasa internet, indrindra ho an’ny tany mahantra toa an’i Madagasikara. 500 A r isaky ny 30 andro hahazoana mahita BBC Afrique, RT France, Wikipedia, Messenger, Facebook, VOA amina SIM Orange.

Fa ny zava-baovao iray lehibe nampahafantarina ny fidirana amina tambajotra ahitana ireo tolotra samihafa avy amin’ny fikarohana vitan’ny tanora, hiaingan’izy ireo amin’ny famoronana asa (startup).

Iray amin’izany i Mahasaina Landry, namorona ny “Lémuriia”, manampy ny mpandeha  amin’ny famandrihana toerana  amin’ireo mampiasa zotra nasionaly. Andrana efa mandeha izao, nanomboka ny volana jona, ny ao amin’ny Kofimanga, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.

“Tsy misahirana intsony mamandrika toerana amin’ny Lémuriia, manambara ny fotoana handehanana, mijery izay kaoperativa tiany, misafidy izay toerana mety, manamafy izay famandrihana , ary mandoa ny saran-dalana amin’ny alalan’ny Orange Money, MVola, na Airtel Money. Manan-tombo kely amin’ny saran-dalana izay, saingy, fotoana tsy lany, indrindra antoka iray hialana amin’ny mpanao ratsy”, hoy i Mahasaina Landry.

Mijery fanohizana ny fifampiraharahana amin’ireo kaoperativa rehetra mampiasa zotra nasionaly ireo tanora nahita ity fomba fiasa vaovao ity.  Mijery fiaraha-miasa amin’ireo cyber ihany koa, satria ny olona rehetra tsy manana finday smartphone avokoa.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.