Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety N1A: hafana ny manasa-dalana, anio

Nisongadina hatrany ireo ekipa goavana, nandritra ny lalao ampahefa-dalana, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, taranja basikety N1A, tanterahina eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, tafakatra ho amin’ny manasa-dalana ny ekipan’ny MB2All Analamanga, ny Ankaratra Vakinankaratra, ny Jea Vakinankaratra ary ny Sbbc Boeny. Raha jerena dia ekipa samy goavana avokoa izy efatra ireo ary tsy dia niady loatra ny lalao tamin’ireo mpifanandrina taminy, omaly. Raha hiverenana izay valin-dalao izay, nanaovan’ny ekipan’ Ankaratra, fampisehoana, ry zareo Asa Analamanga ary isa mavesatra 75 no ho 27 no nisarahan’ny roa tonta. Torak’izany ihany koa, ny fihaonana teo amin’ny MB2All sy ny BC Est Atsimo Andrefana, tsy afa-bela ity farany ary niondrika teo anatrehan’ny ekipan’Analamanga tamin’ny isa 97 no ho 31. Azo lazaina ho tena sahirana ihany koa ny Ascut Atsinanana nanoloana an’ny Sbbc Boeny, hatrany am-piandohana dia efa hita ny elanelana, isa 75 no ho 44 no niafaran’ny lalao. Farany, teo amin’ny sokajy vehivavy, tsy dia nifankaiza ny isa teny amin’ny solaitrabe ho an’ny ekipan’ny Tamifa Amoron’i Mania sy ny Jea Vakinankaratra, isa 72 no ho 63 no nivoahan’ity farany ho mpandresy.

Niady dia niady kosa ny lalao rehetra teo amin’ny sokajy lehilahy, nandritra ny ampahefa-dalana, omaly, indrindra ny fifandonana teo amin’ny ekipan’ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga. Nifandimbiasana ny fitarihana ny isa ho an’ireto ekipa roa ireto, nanomboka hatrany amin’ny ampaham-potoana voalohany, misy fotoana mitarika ny an-daniny ary hihoarana ny an-kilany avy eo. Isa 89 no ho 66 no nisarahan’ny roa tonta teo am-piafaran’ny ampaham-potoana farany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.