Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy nanana pasipaoro: vehivavy malagasy fito voasambotra tany Kaomoro

Tsy nanana pasipaoro: vehivavy malagasy fito voasambotra tany Kaomoro

Nosamborin’ny polisy kaomorianina misahana ny fiarovana anabakabaka sy ny ranomasina tao Anjouan Kaomoro, afakomaly ireo vehivavy malagasy niditra an-tsokosoko tany Kaomoro. Raha ny fantatra, tsy nanana pasipaoro sy fahazoan-dalana hiditra any an-toerana ireto vehivavy ireto. Tratran’ny polisy tao anaty sambo izy ireo ka naverin’ny polisy avy hatrany nihazo an’i Mahajanga. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Fa mpiasa miisa 27 lahy niasa tany Kaomoro koa no tafaverina eto Madagasikara, ny talata teo. Araka ny fanazavan’ireo mpiasa, voalaza fa nofitahin’ny mpampiasa azy izy ireo rehefa nampanantenaina fa hiasa any Kaomoro. Tsy voahaja anefa ny fifanarahana ka izao niafara tamin’ny fampodiana ireto mpiasa ireto. Nisy ny fandraisana an-tanana nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ry zareo kaomorianina ka nahafahana nampody ireto teratany malagasy ireto.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique