Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – Coupe Davis: nandresy an’i Bénin i Madagasikara

Tenisy – Coupe Davis: nandresy an’i Bénin i Madagasikara

Nahomby ny andro faharoa natrehin’ny ekipa malagasy miatrika ny « Coupe Davis Zone Afrique, Groupe III », tanterahina any Kenya. Nandresy ny ekipan’ny Bénin, tamin’ny seta 2 noho 1 (6/3 3/6 7/6), i Madagasikaran tamin’ny alalan-dRanaivo Toky sy Rakotondramanga Antso. Azo lazaina ho mbola hanana vintana ihany hiakarana amin’ny dingana manaraka, araka izany, ny ekipa malagasy, satria, faharesena iray nanoloana ny mampiantrano, ry zareo Kenya (2-0) sy ity fandresena nanoloana ny Bénin, omaly ity izao no azon’izy ireo. Mbola ady mafy no hatrehina ho amin’ny anio vao tanteraka izany. Efa fantatra fa ny ekipan’ny Alzeria no miandry an’i Madagasikara, ho amin’ny anio.

Teo amin’ny voka-dalao hafa kosa, niondrika teo anatrehan’ilay mpilalao avy any Bénin Klegou Alexis, teo amin’ny fifaninanana olon-tokana, ny mpilalao malagasy, Rakotohasy Jean Jacques, tamin’ny seta 2 no ho 0.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique