Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ranty sy teatra: hiaka-tsehatra ny tropy Victor Solo

Ranty sy teatra: hiaka-tsehatra ny tropy Victor Solo

Ny 22 septambra izao, holalaovin’ny tropy Victor Solo ao amin’ny Alliance Française etsy Andavamamba (AFT) ilay tantara « Kapoaka sa vahoaka ». Noho io andron’ny 22 septambra io mifanandrify amin’ny nilalaovana ny teatra malagasy voalohany tao Ambatovonaky (22 septambra 1899), hisy fampirantiana famintinana, hatao ny zoma 20 septambra ka hatramin’ny 22 septambra eny an-toerana. Raha ny fanazavan-dRavaloson Mbato filohan’ny FMTM, « ny Alliance Française no manohana ny FMTM ahafahan’ny tropy hisehatra ao. Mbola vitsivitsy no afaka hisehatra ao amin’ny AFT noho ny hafenoan’ny fandaharam-potoana ao amin’io toerana io ».

Raha tsiahivina, ny 22 septambra 1899 no nilalaovana voalohany tao Ambatovinaky ny teatra malagasy “Zefine sy Armand” misy fizarana dimy nosoratan-dRajaonah, fantatra amin’ny

anarana Rajaonah Tselatra, taty aoriana. Ny  Troupe Tananarive Théatre no nilalao azy. “Opérette” koa izy io, izany hoe  tantara ravahina hira.

HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique