Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nankasitrahana ireo nifarimbona nitsabo: 1356 ireo narary teny Soamandrakizay

Nankasitrahana ireo nifarimbona nitsabo: 1356 ireo narary teny Soamandrakizay

Nankasitraka manokana ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra niara-niasa tamin’ny fiarovana sy ny fitsaboana ireo tanora sy olona marobe tonga nivavaka teny Soamandrakizay ny minisitry ny Fahasalamana, profesora Rakotonirina Julio, omaly. Nahatratra1356 ny isan’ireo marary noraisina an-tanana nandritra ny fotoan-dehibe ka 15 nalefa hopitaly ary iray maty vokatry ny hatsiaka sy ny vovoka niraraka. Nifanintona, nanana tosidra ambony ny aretina tena niseho betsaka niampy ny vovoka sy ny rivotra izay nitarika fahasahiranana ho an’ireo olona efa manana aretina mitaiza. Maherin’ny 700 ireo mpitsabo niara-nisalahy nanatontosa ny fandraisana an-tanana.

Notolorana mari-pahatsiarovana izy rehetra ka tafiditra ao anatin’izany ny Croix Rouge Malagasy, hopitaly lehibe samihafa, mpamonjy voina, aumonerie katolika, ny tafika, ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo…. Zava-dehibe ny fahaizana miara-miasa teo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny miaramila ary ny relijiozy. Samy nanaiky ny fandrindrana napetraka izy ireo ka nampizotra ny asam-pitsaboana. Nambarany koa teny amin’ny HJRA, Anosy, omaly fa efa vonona ny sampandraharaha Centre médicale d’urgence de Madagascar izay hiasa afaka volana maromaro. Ny volana marsa lasa teo no nisokatra ny foibe ary eo am-panangonana ireo fitaovana ampiasaina ankehitriny ny tompon’andraikitra.

Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique