Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manomana ny rakikira voalohany: mianatra teknika fihirana ny Zazakanto

Manomana ny rakikira voalohany: mianatra teknika fihirana ny Zazakanto

Rehefa avy niala sasatra sy niato kely, miverina tsikelikely amin’ny fianarana ireo ankizy manan-talenta ao anatin’ny tarika Zazakanto. Araka ny fanazavan-dRajery, izay anisan’ireo zoky ray aman-dreny mitantana azy ireo, mianatra momba ny teknika fihirana miaraka amin’ny mpampianatra ao amin’ny Cnem D izy fito mirahalahy, amin’izao fotoana izao.

Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ity ivontoerana mampianatra mozika ity izany ary tafiditra ao anatin’ny fanomanan’ny Zazakanto ny famoahana ny rakikiran’izy ireo voalohany. “Tsy mora ny asa, satria amin’ny mahazaza azy ireo, tokony ho fahafinaretana sy fialana voly ny zavatra rehetra. Izany hoe, tsy misy ny teritery sy ny fibedesana”, hoy Rajery.

Tsy voafetran’ny fotoana ny fianarana ny fomba fihirana, satria ilaina foana ny manatsara ny zava-bita, na efa mivoaka aza io rakikira io. Ny feo, rahateo, no sady zavamaneno ampiasan’ireo mpanakanton’ny Zazakanto, araka ny nambaran’ity mpanakanto fanta-daza ity hatrany. Toy izany koa ny fianarana lafin-javatra hafa, izay tokony hifandraika sy mifampiankina amin’ny tanjona tratran’ireo ankizy, ny hahamatihanina azy ireo eo amin’ny tontolon’ny hira.

Mikasika io vokatra voalohan’ny Zazakanto io kosa, hiditra amin’ny fivahiniana arahim-pamokarana na “résidence” izy ireo, aorian’ny fiofanana momba ny fihirana. Efa misy kosa ny “maquettes” amin’ireo hira ka io no hijerena ny lesoka, hamoahana ny tena izy. Miara-dalana amin’izany ny fanivanana ireo hira ho re ao anatin’ilay rakikira, izay iankinan’ny lohahevitra na ny lohatenin’ity vokatra voalohany ity.

Tsy maintsy hisy ny fijerena hira vaovao ka efa misy olona vitsivitsy mamoron-kira… Tsy maintsy mifanaraka amin’ny maha izy azy ny tarika Zazakanto sy ny efa nahafantarana azy ireo anefa izany rehetra izany”, hoy Rajery. Miara-dalana amin’izay fitazonana ny maha izy azy izay ny fampivoarana ny talentan’ireo ankizy…

Landy R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique