Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama: hanafatra solika mivantana any ivelany

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 11 septambra teo, ny fandaniana ny fangatahana alalana hividy mivantana solika any ivelany, tsy mandalo antso tolo-bidy, hampiasain’ny orinasa Jirama. Mila ampahafantarina mialoha ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra anefa ny fanatanterahana izany, izay ao anatin’ny fotoana voafetra ihany.

Azo adika fa tsy hividy solika amin’ireo mpaninjara efatra eto an-toerana intsony ny Jirama, raha raisina io fanapahan-kevitra io. Anisan’ny mamono antoka ny fifandanjam-bolan’ny Jirama tokoa ny vidin-tsolika. Misy amin’ireo orinasa mpamatsy solika azy no sady mpamokatra herinaratra ihany koa, ka mihoapampana ny tombombarotra azony. Amidy lafo amin’ny Jirama ny solika, tsy mitovy amin’ny ho an’ny mpanjifa mahazatra. Lafo ihany koa ny herinaratra, nefa tsy maintsy amidy mora amin’ny mpanjifa.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique