Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hatramin’ny volana jiona teo: volamena 1,470 kg, safira 255 g, “fusil à pompe”…, saron’ny ladoany

Hatramin’ny volana jiona teo: volamena 1,470 kg, safira 255 g, “fusil à pompe”…, saron’ny ladoany

Tsy vaovao intsony raha izay ny ilazana ny fahatrarana volamena na entana hafa ampidirina na avoaka tsy ara-dalàna eny Ivato. Manao ezaka ny ao amin‘ny fadintseranana misakana izany, hahitana ireny antokon’olona mpamoaka  an-tsokosoko  harem-pirenena ireny.

Hamafisin’ny mpiasan’ny ladoany ny hisakanana ireo mpanao trafika isan-karazany, amin’ny fomba fiasa, fampiasana fitaovana harifomba fitiliana azy ireo, fanatevenanana fiaraha-miasa amin’ny sampan-draharaha hafa. Fitambaran’ireo rehetra ireo ny hahafahana manara-maso sy miaro ny sisin-tany.

Nanomboka ny volana jona 2019 hatramin’izao septambra izao, 1,470 kg ny fitambaran’ny volamena tratra teny Ivato , saika avoaka an-tsokosoko, tsy nanaovana fanambarana, mitarika any amin’ny tsy famerenana vola vahiny azo avy amin’ny vidiny. Karana daholo no tratra tamin’ireo, betsaka ny vehivavy, nisy  efatra, lehilahy iray. 305 gr tamin’ireo volamena ireo saika nalefa atsy Maorisy, ny ambiny, saika naondrana any Mumbai.

Amina fomba samy hafa niheverana namoahana ireo volamena ireo, mody nentina natao endrika firavaka amin’ny tanana, ny hafa nanafina izany tao anaty boaty vovo-dronono. Fampiasana scanner narahana fisavana amin’ny vatana ny nahitana izany. Mbola vehivavy karana iray, nahitana vatosoa safira 255 gr, saika navoaka tsy ara-dalàna. Mumbai ihany ny tanàna nokasaina  handefasana azy io.

Mbola vehivavy ihany, fa Malagasy indray, tratra nampiditra an-tsokosoko fitaovam-piadiana, basy roa (Mossberg M88, calibre 12; sy Torus, Canon ST-12), sy « pistolet automatique » iray (Sig Sauer P220).

Ireo rehetra ireo, manambara ny maha zava-dehibe ny andraikitry ny ladoany miady amin’ny trafika isan-karazany , indrindra ny asany eo amin’ny fiarovana ny harem-pirenena sy ny olom-pirenena. Ireo vokatra azo manaporofo fa matihanina ny mpiasan’ny fadintseranana, rehefa vonona hanao ny asany, mahatsiaro ny tamberin’andraikitra miandry azy.

 

R.Mathieu

 

19 jona : Kenya Airways ho any Mumbai  ; Volamena tratra : 225 gr

6 aogositra : Air Madagascar avy any Frantsa, nahatrarana ireo fitaovam-piadiana

8 septambra : Air Mauritius ho any Maorisy ; volamena tratra : 305 gr

9 septambra : Sidina ho any Mumbai ; safira tratra : 255 gr

10 septambra : Air Mauritius ho any Mumbai ; volamena tratra : 475 gr

11 septambra : Air Seychelles ho any Mumbai ; volamena tratra : 465 gr

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique