Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HaiRun sy Miarakap: fiaraha-miombon’antoka handrosoana

HaiRun sy Miarakap: fiaraha-miombon’antoka handrosoana

Orinasa tantanina tanora ny HaiRun, misehatra amin’ny lafiny tontolon’ny informatika, antsoina hoe « intelligence artificielle », azo adika ho fahaizana foronina amin’ny alalan’ny teknolojian’ny informatika. Haingana ny firoboroboany satria raha 10 ny isan’ny mpiasa tamin’ny taona 2017, nananganan’Andriambololona Ranto, filoha tale jeneraly (PDG) azy, efa tafakatra 60 amin’izao fotoana izao. Tsy nionona teo, fa misy indray ny fiaraha-miombon’antoka ataony amin’ny orinasa Miarakap, tantanin’i Emmanuel Cotsoyannis, hampitomboana 1 miliara Ar ny renivola. Nambaran’ny PDG-n’ny Hai-Run, fa tanjona ny hampitomboana ho telo na efatra heny ny ambaindain’ny orinasa, mba ho sangany aty Afrika, sy maneran-tany mihitsy aza. Orinasa fahefatra notohanan’ny Miarakap ny HaiRun.

Any ivelany ny 95%-n’ny mpanjifan’ity orinasa ity. Anisan’ny tena ataony ny mamorona logiciel ho an’ny orinasa ary manana ny azy manokana koa izy ireo, hikarakarana ny mpanjifany.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique