Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FJKM Antanety Fitahiana: voatsangana ny akany fitahiana

FJKM Antanety Fitahiana: voatsangana ny akany fitahiana

Notokanana, omaly ny tsangambato faha 150 taon’ny FJKM Antanety Fitahiana, ao amin’ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana. Akany ahitana rihana telo no naorina, tao anatin’ny telo taona ho birao fiasan’ny sampana sy ny fiangonana ary ho trano vadim-piangonana hipetrahan’ny mpitandrina. “Ezaka manokan’ny mpino ao anatin’ny fiangonana sy tolo-tanana avy amin’ny olona no nahavitana ny fotodrafitrasa vaovao”, hoy ny mpitandrina, Andrianasolo Rojolalaina, omaly nandritra ny hetsika fanokanana teny an-toerana. “Hitohy ny asa ka hohitarina koa ny efitrano fiangonana”, hoy ny filohan’ny komitin’ny faha150 taona, Rakotonandrasana Marcel. 2 500 ny isan’ny kristianina ao amin’ny fiangonana ary 14 ny sampana samihafa mandrafitra izany. « Fa nitondra anay nivoaka amin’ny fitahiana hahatretrika ianao » Salamo 66-12d no teny fanevan’ny taon-jobily izay nahatsapana fa nisy lalana lavitra nodiaviana vao tonga amin’izao zava-bita izao. Sady niainga avy amin’ny tsy misy mihitsy ny asa, araka ny fanazavan’ny mpitandrina ihany. Nisy ny fanompoam-pivavahana notanterahina tao amin’ny FJKM Antanety Fitahiana, omaly nialoha ny fanokanana niarahana amin’ny mpiandraikitra avy amin’ny synoda.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique