Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Farafangana: lasan’ny jiolahy ny vola 8 tapitrisa Ar tao amin’ny farmasia

Farafangana: lasan’ny jiolahy ny vola 8 tapitrisa Ar tao amin’ny farmasia

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, nirefotra ny basy tao Tsarafara. Voaroba ny vola rehetra tao amina farmasia teo an-toerana. Olona iray maty.

Jiolahy maromaro nirongo basy no nanafika sy nandroba ny vola mitentina 8.000.000Ariary tao amina farmasian’ny fokontanin’i Tsarafara faritra Farafangana, ny Alahady teo manodidina ny tamin’ny 9 ora alina. “Niditra toy ny mpividy ny jiolahy roa nirongo basy tamin’io fotoana io ary avy hatrany dia nanakorontana” hoy ny olon-tsotra iray any an-toerana. Nambarany tamin’izany fa amin’ny maha mpiandry raharaha ny farmasia tamin’io fotoana io dia nisokatra foana ity farany ary mbola variana teo anoloan’ny fahitalavitra ny mpandray olona tamin’ny fotoana nidiran’ny jiolahy ka nanapoaka basy in-6 mba hampitahorana ny manodidina  tsy hivoahan’izy ireo. Nohamafisiny tamin’ny antso an-telefonina fa niambina ny teo ivelan’ny farmasia kosa ny naman’ireo jiolahy ireo, tamin’io fotoana io. “Tonga teny an-toerana ny zandary tamin’ny 9 ora sy 30 minitra ary nanao ny fanarahan-dia rehetra niaraka tamin’ny fokonolona” hoy i Behavana Derbas, kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Farafangana. Nohamafisiny tamin’izany fa ireo zandary mpanao fisafoana dia niambina teo amin’ny sapanan-dalana avaratra fidirana ny fokontany.Araka ny fantatra kosa anefa dia nizotra nianatsimo ireto jiolahy ireto. Raha ny angom-baovao dia nahita tovolahy iray maty voatifitry ny basy tandrify ny fony, tsy lavitra ny farmasia, ny ramatoa iray nandeha nantsaka rano, ka nampandre avy hatrany ny manodidina.

Tsy fandriampahalemana

Raha ny fanazavan’ny olon-tsotra dia nirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao ao Farafangana, indrindra tao afaran’ny fifidianana solombavambahoaka iny, hita matetika izany tranga izany ao amin’ny faritra Ambalanomby. Nohamafisiny fa tsy misy ny laharana maitso iantsoana ireo mpitandro filaminana raha sendra misy loza. Mazàna, hoy ny loharanom-baovao dia miandry ho tony mihitsy vao sahy miantso ny mpanao fisafoana ny mponina ao an-toerana. Nohamarininy  tamin’izany fa miaraka lalandava ny polisy sy ny zandary rehefa manao fisafoana. Anisan’ny mampirongatra ny fanafihana maro samihafa ao an-toerana ihany koa, hoy izy ny tsy fisian’ny andrimasom-pokonolona.

 

Henintsoa Hani

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique