Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nesorina tsy ho Ambasadaorin’i Japana Rakotoarimalala Mireille. Nandritra ny filankevitry ny minisitra, notanterahina teny Iavoloha, afakomaly, no namoahana didim-panjakana manafoana izany andraikitra maha masoivohon’i Madagasikara miasa any Japana azy izany, araka ny tolokevitry ny minisitry ny raharaham-bahiny. Tsiahivina fa ny volana desambra taona 2017, nandritra ny fitondrana Rajaonarimampianina no nanendrena azy hisahana io andraikitra io.

Voatendry ho talen’ny Tranopirintim-pirenena Rajaofetra Andry Nirina. Nandritra ny filankevitry ny minisitra, afakomaly ihany koa no nanendrena azy ho eo amin’ity andraikitra ity, araka ny tolokevitry ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

Les commentaires sont fermées.