Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Clinique Ave Maria: nohavaozin’ny Japoney ny fitaovana

Nomen’ny masoivoho japoney fitaovana mitentina 290 tapitrisa Ar ny toeram-pitsaboana Ave Maria Antsirabe , tafiditra amin’ny fandaharanasa tohana amin’ny tetikasa ho an’ny fiahiana ny maha olona. Fitaovana fanaovana échographie sy ny marohafa no nohavaozina raha efa namatsy vola tamin’ny fahazoana izany izy ireo, teo aloha. Hanatsara ny fandraisana an-tanana ny fanampiana vaovao satria efa tranainy ireo nampiasaina teo aloha. Mpiara-miasa efa naharitra ny masoviho japoney sy ny toeram-pitsaboana noho ny fisian’ny masera japoney Yukie Makino miasa eo anivony.

Tetikasa faharoa mbola novatsian’ny masoivoho japoney koa ny fanitarana ny CSB II ao Ambalavato, faritra Vakinankaratra. 225 tapitrisa Ar ny sora-bola nanatontosana ny fotodrafitrasa ho an’ny tombontsoan’ny reny sy ny zaza ao Antsirabe sy ny manodidina. Nampiana ny toeram-pandraisana sy ny trano fiterahana satria maro ny vahoaka manatona ao, mitsabo tena sy miteraka.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique