Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antananarivo: tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ny 49%-n’ny ankizy

Manatanteraka atrikasa ho fitadiavam-bahaolana maharitra, amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Action contre la faim (ACF). Mahatratra 49%-ny ankizy latsaky ny 5 taona eto Antananarivo Renivohitra no tratran’ny tsy fanjaraian-tsakafo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny ACF, teto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), tamin’ny volana mey sy jona teo dia 49,3% ny zaza latsaky ny dimy taona, tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, raha 48% izany amin’ny faritra Analamanga (MICS2018) ary 4,5% amin’ireo zaza ireo dia tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.

Anisan’ny tetikasa ara-tsosialin’ny CUA ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ilay fifanarahana antsoina hoe « Pacte de Milan », ny taona 2017. Tanàn-dehibe 199 maneran-tany no mitovy fijery nanao sonia izany fifanarahana izany, izay maneho fahavononana ara-politika amin’ny fananganana rafitra fiahiana ara-tsakafo maharitra ho an’ny tanàn-dehibe.
Enina  ireo hevi-dehibe heverina hapetraka handrosoana vahaolana azo tsapain-tanana amin’izany. Eo ny fitantanana ara-tsakafo, ny fanjarian-tsakafo maharitra, ny famokarana ara-tsakafo, ny famatsiana ny fitsinjarana, ny fitoviana lenta ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ny fampihenana ny fako azo avy amin’ny sakafo.

Marihina fa anisan’ny tanàn-dehibe telo maneran-tany mitarika ny fanatanterahana ny paikady amin’ny famongorana ny tsy fanjarian-tsakafo voafaritra ao amin’ny fanekena ny Renivohitr’i Madagasikara. Efa nahavita toeram-pambolena ao Antanimena ny CUA

106 ireo mpamboly an-tokantrano, 11 ny tetikasa fiaraha-miasa tanterahin’ny fikambanana ary 30 ny EPP manana toeram-pambolena anomezana tohana ho an’ny ankizy.

Tatiana A

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique