Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antanadava-Antalaha: trano anjatony kila hotohoton’ny afo

Trano miisa 310, hotohoton’ny afo tao anatin’ny 6 ora, tao amin’ny Fokontanin’Antanadava II, kominina Andalabe-Antalaha, ny Alarobia teo manodidina ny tamin’ny 10 ora  maraina. Raha ny angom-baovao dia niainga tamina trano fandraisam-bahiny iray tsy nisy olona ny afo ka nihitatra tamin’ny manodidina, vokatry ny rivotra izay nifofofofo ary noho ny fahavitsian’ny mponina teny an-toerana, izay mbola samy niasa ny tanimbolony. Vokany, nivadika ho afo tanteraka teo amin’ireo trano falafa manodidina ka nahamay  ny fiharian’ny mponina. « Levon’ny afo avokoa ny fananan’ireo olona ary tsy nisy intsony ny azo raisina tamin’izany » hoy Andriatsiranomena Rajo, komandin’ny zandarimaria an’Antalaha. Nambarany tamin’izany fa 30km atsimon’Antalaha no misy an’Antanadava II. Tsy manana fiarana mpamonjy voina ny tanàna, ka izay no nampananosarotra ny famonoana ny afo. Ny fokonolona no niara-nifarimbona namono ny afo tamin’alalan’ny fasika, nandritra 4 ora noho ny fokontany izay lavitra rano.

Fantatra fa nijery ny tra-boina maherin’ny dimanjato ny solombavam-bahoakan’Antalaha, niaraka tamin’ny lehiben’ny Distrika, omaly ka nanolotra fanampiana.

 

Henintsoa Hani

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique