Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatomainty: tratra ny jiolahy mpandrahona amin’ny basy kilalao

Ambatomainty: tratra ny jiolahy mpandrahona amin’ny basy kilalao

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP8 noho ny resaka fanendahana, ny alatsinainy alina teo teny Ambatomainty ny jiolahy iray niaraka tamin’ny basy kilalao. Nambaran’ny polisy, vao iray volana lasa izay no nahatraran’ny polisy ity jiolahy ity ary efa natolotra ny fampanoavana izy ka naiditra am-ponja vonjimaika teny Antanimora, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray izy taorian’ny fivoahana ny fonja. Tsy niova anefa ny fomba ratsin’ity jiolahy ity fa mandrahona olona amin’ny alalan’ny basy kilalao ka alainy avokoa ny zavatra rehetra eny amin’ilay olona. Tsy vitan’izay fa mbola darohany koa ilay olona rehefa azony ny zavatra any aminy. Lehilahy iray no tratrany, ny alatsinainy teo raha hamonjy fodiana eny Ambatomainty. Norahonany tamin’ny basy kilalao ilay raim-pianakaviana ka lasany ny vola iray hetsy Ar niampy telefaonina finday. Afaka niantso vonjy ihany ilay niharam-boina ka ireo polisy avy ao amin’ny CSP8 no nifanenjika tamin’ilay jiolahy. tratra tany aminy ny basy kilalao fampiasany rehefa manendaka.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique