Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taorian’ny fandalovan’ny Papa: nivaivay indray ny fitohanan’ny fiara

Taorian’ny fandalovan’ny Papa: nivaivay indray ny fitohanan’ny fiara

Omaly talata, niverina nitohana indray ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Mitohy indray, araka izany, ny asa fanamboaran-dalana izay nihato nandritra ny fandalovan’ny Papa Fransoa, ny faran’ny herinandro teo.

Mikatso tanteraka ny fifamoivoizana toy ny eny Anosibe, ny eny Andraharo, ny eny Ankorondrano, ny eny Analamahitsy… Efa misy ihany ny lalana vita, saingy mbola manelingelina ny fanamboarana ny sisin-dalana izay tsy misy farany.

Ny sekoly manaraka ny rafi-pampianarana frantsay rahateo, efa niverina nisokatra avokoa. Mbola haharitra hatramin’ny faran’ny volana oktobra ny fanamboaran-dalana sy ny sisin’ny arabe ka vahaolana ny miainga mialoha raha hamonjy fotoana na mandeha an-tongotra raha akaiky ny toerana aleha.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique