Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby “Tsinjakabe III”: hiady volabe ny Tam sy ny Cnaps Sport

Rugby “Tsinjakabe III”: hiady volabe ny Tam sy ny Cnaps Sport

Hotanterahina, ny alahady 15 septambra ho avy izao, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny andiany fahatelo, “Rugby Tsinjakabe”. Fihaonana, karakarain’ny SPC Presse – Evenement, tarihin’ny filohany, Rakotomanalina Veve. Lalao telo goavambe no voalahatra  amin’izany. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Cnaps Sport sy ny Tam Anosibe, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Ekipa efa ela nifampiandrasana ireo ka tonga amin’ny fotoana hitsarana izay mahery. Hotolorana volabe ny mpandresy amin’io miaraka amin’ny amboara lehibe. Hahazo vola ihany koa ny resy miaraka amin’ny amboara fa tsy hitoviany ny havesany. Amin’ny 11 ora antoandro, adin’ny samy kartie, hikatrohan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA (Boaikely manohitra). Ary hanokatra ny fihaonana, ny maraina amin’ny 9 ora, ny an’ny SCB Besarety sy ny 3FAI. Amboara sy lelavola ihany koa ny omena ireo mpandray anjara ireo. Nambaran’i Veve fa ezahina hatrany ny hisian’ny zava-baovao ka anisan’izany ny namindrana ny kianja, nezahina hanakaiky ny vahoaka, ary homena tombony manokana ny tanora satria hiara-dalana amin’ity “Rugby Tsinjakabe” ity ny fisian’ny mpanakanto hanafana ny fotoana, aorian’ny lalao, amin’ny 3 ora iarahana amin’i Tsota, i Lion Hill, i Bolo Pix, i Wada sy i Yoongs ary i Mijah. Natao izany araka ny fanamarihan’i Veve satria mila manala azy ireo mpianatra avy nanala ny fanadinana BEPC.

 

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique