Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MJS – Afrika Atsimo: vonona hiara-hiasa ny roa tonta

MJS – Afrika Atsimo: vonona hiara-hiasa ny roa tonta

Nandray vahiny manan-kaja maromaro indray ny minisitry ny Tanora sy fanatanjahantena, i Tinoka Roberto, omaly, teny amin’ny toeram-piasany etsy Ambohijatovo. Isan’izany ny firenena Afrikanina Tatsimo, tamin’ny alalan’ny ambasadaorony, i Maud Vuyelwa, sy ny minisitra lefitra, i Nocawe Mafn. Nanambara ireto farany fa vonona hifanolo-tanana sy hiara-hientana amin’ny fanatontosana ilay drafitrasa “Kazan”, efa nosokafana, ny 10 septambra teo. Tetikasa goavana nifampiresahan’ny roa tonta ihany koa ny hanatanterahan’i Afrika Atsimo ilay “Coupe Nelson Mandela” nanasany an’i Madagasikara, hifaninana eo amin’ny taranja baolina kitra, hatao ny 27 hatramin’ny 29 septambra izao. Aorian’izay, hisy ny vela-kevitra ho an’ny tanora mpandraharaha malagasy, hataon’ny tanora avy any Afrika Atsimo, eto amintsika ny volana oktobra. Tetsy ankilany, naneho izay fahavononany hiara-hiasa izay ihany koa ny minisitra ary tsy nanadino nisaotra ireo vahiny avy any Afrika Atsimo ireto. Marihina fa efa tonga eto an-toerana avokoa ireo minisitra miisa 20 handray anjara amin’ilay fivoriamben’ny minisitra afrikanina, hatao, anio eny amin’ny CCI Ivato.

MJS – Confejes

Ankoatra an’i Afrika Atsimo, tonga nitsidika ny minisitra ihany koa, omaly, ny ny sekretera jeneralin’ny Confejes, i Bouramah Ali Harouna. Mitohy ary mihamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, raha ny nambaran’ny minisitra. Tsy ny “Kazan” ihany no ifanohanana fa hisokatra amin’ny sehatra maro ny Confejes. Nanambara ity sekretera jeneraly ity fa hanome vatsim-pianarana, isan-taona, ho an’ny atleta malagasy ka hisitraka izany ny atleta miisa 20 isaky ny taranja. Tsahivina fa isan’ny mandray anjara sy manohana amin’ny fanatanterahana ilay drafitrasa “Kazan” ny Confejes ary misy fanampiana vola hatolotr’izy ireo amin’izany. Mbola hitombo io fanampiana io raha toa ka tena hita taratra ny fahombiazan’ity drafitrasa ity.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique