Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: « Voafetra ireo afaka mampiasa pasipaoro diplaomatika»

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: « Voafetra ireo afaka mampiasa pasipaoro diplaomatika»

Namoaka fampahafantarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny momba ny fahazoana mampiasa pasipaoro diplaomatika.   ” Voafehin’ny lalàna apetraky ny rafitra mpanatanteraka ny fahazoana mampiasa ny pasipaoro diplaomatika sy ny pasipaoro hanaovana servisy“, hoy ny minisitera. Notsiahiviny ny didim-panjakana mamaritra ny fomba fahazoana ny pasipaoro diplaomatika sy ny fampiasana azy, ary ny lisitr’ ireo olona afaka mampiasa izany, na mandritra ny fotoana maharitra izany, na mandritra ny fotoana voafetra.

Natokana ho an’ny olom-panjakana ambony

Natokana ho an’ireo olom-panjakana ambony eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara, voatanisa mazava ao anatin’ity didim-panjakana manan-kery ity, sy ireo tompon’andraikitra amin’ny asa ara-diplaomatika sy ao amin’ny kaonsily eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara, mandritra ny asa ataon’izy ireo any ivelany hisoloany tena ny governemanta Malagasy ny pasipaoro diplaomatika “, hoy ihany n y minisitera. Navoitran’ny fampahafantarana fa ireto ny lisitr’ireo olona afaka mampiasa izany pasipaoro diplaomatika izany mandritra ny fampiharana ny asany. Ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara.  Ny praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny filohan’ny HCC. Ireo Solombavambahoaka sy  ireo loholona. Ireo mpitsara momba ny lalàmpanorenana. Ireo masoivoho sy ireo mpiandraiki-draharaha ary ireo kaonsily jeneraly. Manampy izany ireo kaonsily « Honoraires ». Ireo manampahefana sivily na miaramila, ireo mpiasa manana ny sokajy A5 ao amin’ny departemanta foiben’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, ireo olona mitana ny laharan’ny lehiben’ny fizaran’ny sampan-draharaha no ho miakatra, na koa ireo tompon’andraikitra mifandray amin’ireo solontena ivelan’i Madagasikara.

Ireo mpitondra teo aloha…

Ankoatr’izany, afaka mampiasa mandritra ny fotoana maharitra ny pasipaoro diplaomatika koa ireo mpitondra teo aloha rehetra. Anisan’izany ny filoham-pirenena teo aloha sy ireo praiministra nifandimby,  ny filohan’ny Anenimierandoholona sy filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha. Tahaka izany koa reo filohan’ny HCC teo aloha . Ireo minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha; ary koa ireo mpikambana ao amin’ny « Corps des agents diplomatiques et consulaires ». Anisan’izany ireo mpiandriakitra momba ny raharaham-bahiny ao amin’ny servisy nasionaly na iraisam-pirenena, na mbola am-perinasa izy, na efa misotro ronono. Afaka mampiasa ny pasipaoro diplaomatika mandritra ny fotoana maharitra na voafetra ihany koa, ny vadin’ireo olona rehetra  voatonona ao amin’ny andalana sasany eo ambony, hatramin’ny  tsy mbola ampy taona na latsaky ny 21 taona tsy mbola manambady. « Ampahatsiahivina etoana fa fehezin’ny lalànan’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fenitra diplaomatika azo ampiharina amin’ny fanjakana rehetra ny fampiasana ny pasipaoro diplaomatika. Anisan’izany ny Fifanarahana natao tany Vienne  momba ny fifandraisana ara-diplaomatika tamin’ny 1961 », hoy  ihany ny minisitera.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique