Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila fanovana…

Hanao ahoana ihany izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izao? Ahina mety ho tonga amin’ny fanaovana fifidianana manokana amin’ny ampahany noho ny tsy fisian’ny kandidà amin’ny kaominina sasany.

Miharihary amin’izao fa tsy sahy miatrika fifidianana ny ankamaroan’ny antoko politika. Be tsy andraofana? Tsy matoky tena, matahotra fitsaram-bahoaka… Mpiandry kendry tohina amin’ny krizy politika hahazoana toerana no be?

Ny sasany indray, mialokaloka amin’ny fanohanana antoko izatsy na izaroa? Saikaizan’ny mpandresy na izay tombanana handresy… Tsy efa mila fiheverana tanteraka amin’izay ve ny amin’ireo antoko politika manamaro isa fotsiny?

Eo ireo tsy sahy miatrika fifidianana, tsy mahahenika ny faritra na ny faritany na ny firenena ny fijoroany, tsy mahavita kongresy; eny, na ny foibe toerana aza, ohatra, tsy hita hoe aiza. Aiza ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna? Mila fanovana…

R.Nd.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique