Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fnuap: 94 106 894 Ar hiadiana amin’ny aretina mamany lava

Fnuap: 94 106 894 Ar hiadiana amin’ny aretina mamany lava

Notanterahina tetsy Tanjombato, omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fnuap sy ny vondron’orinasa Filatex mikasika ny fampiroboroboana ny fanabeazana feno momba ny fananahana ary ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava.

Haharitra herintaona ny fiaraha-miasa. Mitentina 94 106 894 Ar ny vola entina hiasana hamongorana ny aretina mamany lava sy hampianarana ireo tanora mikasika ny fananahana.

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taon’ny Fnuap izao fiaraha-miasa eo aminy sy ny Filatex izao.

Eto Madagasikara, mbola fady ho an’ny ankohonana ny firesahana momba ny fananahana. Lohahevitra tokony hiarahan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka midinika mihitsy anefa izy io hahafantaran’ny tanora ny tokony hataony. Manomboka amin’ny fahadiovan’ny fananahana izany hatramin’ny fahasalaman’ny fananahana sy ny maha sarobidy izany taovam-pananahana izany.

Mikasika ny aretina mamany lava, efa misy asa hatao any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ka manodidina ny 100 ireo vehivavy raisina an-tanana ary efa an-dalam-pahasitranana izy ireo. Entina mamonjy hopitay lehibe ireo marary hahafahana mandidy azy ireo sy manara-maso akaiky ny fahasalamany.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique