Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsidihan’ny Papa: nisaotra ny vahoaka ny filoha Rajoelina  

Fitsidihan’ny Papa: nisaotra ny vahoaka ny filoha Rajoelina  

Misaotra eram-po eran-tsaina antsika tsirairay avy ny tenako. Ireo avy amin’ny fiangonana katolika notarihin’ny kardinaly sy ny eveka rehetra izany, ireo mpitandro filaminana isan-tokony izay nanao ny asany tamim-pahamatorana sy tamin’ny fahaiza-manao, ireo mpiara-miasa rehetra isan-tokony…

Io ny fisaoran’ny filoha Rajoelina, afakomaly, noho ny fahatomombanan’ny fitsidihan’ny Papa Fransoa teo. Nisaorany koa ireo orinasa nanampy; indrindra koa ny vahoaka manerana ny Nosy, niara-niombom-po sy niara-nivavaka ary niara-nitondra amim-bavaka na ny fandraisana ny Papa na ny hoavin’ny firenena.

Tontosa tamim-pahamendrehana sy tamim-pitiavana ary tamim-pilaminana ny fandraisana ny Papa. Zava-dehibe loatra ho an’ny Malagasy sy ho an’ny firenena iny fitsidihana iny.

Hitondra aim-panahy…

Antenaiko fa hitondra aim-panahy sy fanantenana amin’ny ho avy ary indrindra, ho amin’ireo tanjona tiantsika hapetraka miaraka izany fitsidihana izany: ny famerenana ny firenena mba ho sangany”, hoy izy. Indrindra mba haharesy ny fahantrana sy ny fahalovana.

Firaisankina, fiaraha-mientana, fahamendrehana ary fifankatiavana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana. Izay no naseho nandritra ny fandalovan’ny Papa, iriny sy irariany raha toy izany hatrany ny atao manomboka izao amin’ny fanarenana ny firenena.

Mendrika ny vahiny nohajaina izay raiamandreny am-panahy ny asa natao ary nanome haja sy hasina ny firenena izany. Ho ela velona anie i Madagasikara, ao anatin’ny fanantenana sy ny fiadanana ary ny fandrosoana, hoy ny famaranany ny hafatra.

R.Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique