Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihaonan’ny tanora teny Soamandrakizay: nampahafantarina ny boky mitondra fijery mihabo

Fihaonan’ny tanora teny Soamandrakizay: nampahafantarina ny boky mitondra fijery mihabo

Nampahafantatra ny fisian’ny boky torolalana novolavolain’ny tanora atyAfrika hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora ny Unicef, nandritra ny fotoana nihaonan’ny Papa Fransoa sy ny tanora teny Soamandrakizay ny asabotsy hariva lasa teo. Tanjon’ny boky ny hanampy ny tanora hanana fjery mihabo amin’ny fiainany andavanandro sy ho an’ny manodidina misy azy. Tanora maro avy any Kenya, avy any Mozambika, avy any Côte d’Ivoire sy ny firenena maro hafa tamin’ny alalan’ny intenet no nanoratra ny boky rehefa nifandinika tao anatin’ny fivoriana ho an’ny tanora isam-paritra. Mitondra vahaolana momba ny olana sedrain’ny tanora, toy ny tsy fisian’ny asa, ny fiarovana ny ankizy, ny kalitaon’ny fanabeazana ny boky. Hanampy ny tanora hahatsapa ny olana mianjady aminy koa izany ahafahan’izy ireo mametraka drafitrasa hanaovana soso-kevitra rehefa misy ny adihevitra miompana amin’ny tanora. Niara-niasa amin’i Mirado, tanora mpanakanto, ny Unicef hanazava ny boky sy ny tohana entiny ho an’ny tanora misedra olana amin’izao fotoana izao. « Tokony hohenoina ny hevitry ny tanora izay voarakitra ao amin’ny boky. Nanana tombony aho afaka nizara izany teny Soamandrakizay ho an’ny tanora mitovy amiko», hoy i Mirado.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique