Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety 3×3 – “Alley Hoop”: hifarana ny 16 septambra ny fisoratana anarana

Basikety 3×3 – “Alley Hoop”: hifarana ny 16 septambra ny fisoratana anarana

Efa mihamanakaiky ilay fifaninanana basikety 3×3, mitondra anarana hoe “Alley Hoop”, karakarain’ny RDJ sy ireo mpiara-miombona antoka marobe toy ny Orange, ny federasiona malagasy ny basikety ary ny IBF (International Basket Fundation). Lalao hotanterahina manomboka ny 20 septambra izao, ho an’ny sokajy U23 sy U18 eny amin’ny parking-n’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Efa manakaiky toy izany koa ny farafisoratana anarana, hifarana ny alatsinainy 16 septambra izao. Araka ny fanazavana sy ny fanentanana nataon’ny mpikarakara, omaly, teny amin’ny Karibotel Analakely, tsy tokony hiandry farany vao ho avy hisoratra anarana amin’ity fifaninanana ity, raha maniry handray anjara, hialàna amin’ny filaharambe. Mbola manana dimy andro ireo handray anjara hanaovana izany, eny amin’ny RDJ Analakely na ihany koa eny amin’ny foiben’ny federasiona malagasy ny basikety eny 67 ha, amin’ny sarany 10 000 Ar. Marihina fa loka goavana ny miandry ny ekipa mendrika, toy ny fandehanana any Botswana sy ny lelavola mitentina 1 tapitrisa Ariary ho an’ny ekipa lehilahy ary 4 hetsy Ariary ho an’ny vehivavy.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique