Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambanja: efa vonona handray ny « Sôrogno »

Anaty volon’andro fety. Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, ny fifidianana ny “Miss” sy “Mister” « Sorogno 2019 », teto Ambanja. Nandritra ny alim-pandihizana, naka endrika lanonam-panokafana, io. Nampiditra ihany koa ny “Festival Sôrogno” izany satria hanomboka anio ny tena hetsika ofisialy.
Tsikaritra fa efa vonombonona avokoa ny rehetra, handraisana ny ivon’ny hetsika. Feno ny trano fandraisam-bahiny, maro ireo olona mifamezivezy eny an-dalambe, ary efa tonga tsikelikely ireo mpanakanto sy ireo mpandray anjara amin’ny “festival”.
Hisy ny “carnaval” hamakivaky ny tanàna, entina hanehoana fa efa ao anatin’ny fety tanteraka Ambanja, ary efa vonona ny mpandray anjara rehetra. Hitohy amin’ny lanonana ofisialy, hotontosaina etsy amin’ny kianja lehibe eto Ambanja, izany. Ao amin’ity kianja ity ihany ny andiam-pampisehoana, hanomboka avy hatrany aorian’ny kabary ifandimbiasana.
Efa nanafana ny alim-pandihizana i Mario “Folaka lakile”. Mbola izy ihany no voafidy hanokatra ny andiam-pampisehoana, anio alakamisy. Hifandimby an-tsehatra aminy i Elidiot, mpanakanto tanora andrasan’ny mpankafy maro eto Ambanja ihany koa.
Tsy fampisehoana ihany anefa ny “Sorogno”. Miara-dalana aminy koa ny foara toekarena, indrindra manodidina ny vokatra cacao mampalaza an’Ambanja. Maromaro ireo hetsika mikasika izany, toy ny vela-kevitra sy ny fikaonandoha hotarihin’ireo teknisianina momba ny fihariana sy ny fambolena ary ny varotra.

Zo ny Aina

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique