Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vohémar: andian-jiolahy nahatrarana basy niaraka tamin’ny bala

Vohémar: andian-jiolahy nahatrarana basy niaraka tamin’ny bala

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny GAPJ (Groupe d’appui de la police judiciaire) tao amin’ny fokontany Antanimasina, kaominina ambanivohitr’Ampondra, distrikan’i Vohémar, ny herinandro teo, ireo tambajotran-jiolahy miisa valo. Nahasamborana ireto jiolahy ireto ny hetsika nataon’ny zandary notarihin’ny Kly Ralaikoto Hajatiana tao anatin’ny faritra Sava momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay mampikaikaika ny vahoaka. Nametraka paikady sy vela-pandrika ny zandary ka niafara tamin’ny fahatrarana ireto tambajotran-jiolahy ireto. Tratra tany amin’izy ireo, nandritra ny fisavana nataon’ny zandary, ny basy lava iray niaraka tamin’ny bala miisa 13 ka efa nampiasaina ny 10 amin’ireo bala ireo. Nandritra ny famotoran’ny zandary no nahafantarana fa jiolahy efa raindahiny amin’ny halatra omby ry zalahy ireto ary efa nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola manao famotsiana omby sy hosoka momba ny taratasin’omby koa izy ireo. Niaiky ny heloka vitan’izy ireo nandritra ny famotoran’ny zandary.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique