Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy araka ny fampanantenana ny zava-nisy: hitory ny mpikarakara ny mpivarotra teny Soamandrakizay

Tsy araka ny fampanantenana ny zava-nisy: hitory ny mpikarakara ny mpivarotra teny Soamandrakizay

Nitondra ny zava-misy tamin’ny mpanao gazety ireo olona nikarakara sakafo izay nahatsiaro ho maty antoka tanteraka taorian’ny hetsika teny Soamandrakizay.

Hitory ny mpikarakara AB Event nisahana ny fandaminana ny fampisakafoana ny olona teny Soamandrakizay ireo mpikarakara sakafo sy mpivarotra namaly ny antso ka nisoratra anarana mialoha. « Tsy arakaraka ny fanazavana sy ny fampanantenana nataon’ny tomponandraikitra ny zava-nisy teny an-toerana nanomboka ny zoma ka hatramin’ny alahady nisian’ny Sorona masina notarihin’ny Papa Fransoa », hoy ny mpisolovava ireo mpikarakara sakafo, ny maître Ramaroson Tantely, omaly teny Antaninarenina. Tapatapaka ny herinaratra izay nitarika fahasimban’ny sakafo notehirizina sy ny fitaovana. Ny rano, tsy ampy tamin’ny filana ka voatery nitady vahalaona hafa. Sakafo ho an’ny olona 12 000 isan’andro no nasaina nomanin’ny mpikarakara tsirairay nefa vitsy ny mpisakafo tonga. Ny alahady, tsy nahazo nivarotra intsony fa noesorina avy hatrany ny tranoheva taorian’ny lamesa. Voalaza fa horarahana akora nohafarana ilay tanimena eny an-toerana tsy hiparitahan’ny vovoka eny ambony latabatra, saingy niaraha-nahita ny zavatra mitranga. “Nanomboka tamin’ny 600 000Ar ny hofan’ny tranoheva nefa fatiantoka no azo satria tsy niverina akory io sora-bola io”, hoy ny mpivarotra iray. Nilaza kosa ny tomponandraikitra iray ao amin’ny AB Event fa manan-jo hitaraina ireo olona ireo. Tsy marina anefa ny filazana fa tsy mandray finday izahay rehefa nantsoina ary misokatra hatrany amin’ny fifampidinihana izy ireo.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique