Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratra teny Anosibe: MD ny jiolahy iray tratra nangalatra bateria

Tratra teny Anosibe: MD ny jiolahy iray tratra nangalatra bateria

 Nidoboka vonjimaika am-ponja (MD) ny jiolahy iray tratra nangalatra bateria eny amin’ny faritra Anosibe sy teny Andavamamba, ny alahady teo. Nifanenjehan’ny olona teny amin’ny manodidina an’Andavamamba izy tamin’io fotoana io satria tratran’ny tompona fiara iray nanala ny baterian’ny fiarany. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra ihany izy ary naterin’ny olona avy hatrany tao amin’ny polisy ao Ilanivato. Nandritra ny famotorana azy no nilazany tamin’ny polisy fa tsy vao izao izy no nangalatra bateriana fiara fa efa mpanao izany matetika amin’iny faritra Andavamamba sy Anosibe iny.

Fa tratran’ny polisy avy ao amin’ny CSP6 Ambohimanarina koa ny jiolahy iray, afakomaly alina. Tratra teo am-pihanihana tamboho ao amina orinasa iray eny Ambohimanarina izy ka noraisim-potsiny rehefa tsikaritry ny mpiambina satria tafiditra tao an-tokotanin’ny orinasa ambenany. Niantso polisy avy hatrany ka noraisim-potsiny ilay jiolahy. Tra-tehaka teo am-pibatana vy ao amin’ilay orinasa izy tamin’io fotoana io.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique