Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny fihoaram-pefy: manamboninahitra iray nafindra toeram-piasana

Nitondra sy nampiasa fitaovam-panjakana (fiarakodia) amin’ny tsy tokony hampiasana azy ity manamboninahitra ity ka voatery nandraisan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena fepetra manokana. Nafindra toeram-piasana any atsimo ary narahina fepetra famaizana (affectation displinaire) izany. Nanamafy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena fa mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy amin’ny endriny maro samy hafa izay mety hataon’ny miaramila mandritra ny fanatanterahany ny asany ary koa hahalalan’ny vahoaka fa manaja ny lalàna ny Tafika Malagasy ny anton’izao. Efa nanamafy rahateo ny minisitry ny Fiarovam-pirenena , ny Jly Rakotonirina Léon Richard, fa tsy maintsy ampiharina amin’ireo miaramila tsy manara-dalàna ny lalàna satria tsy misy ambonin’ny lalàna eto na iza na iza, eny fa na manamboninahitra aza izy. Ireny fiaram-panjakana ireny rahateo, tsy natao hampiasaina noho ny tombontsoa manokan’ireo mpitandro filaminana fa hiarovana ny vahoaka sy ny fananany. “Tsy natao hiantsenana na hitondrana fianakaviana ireny fiarakodian’ny Tafika ireny”, hoy izy. Tsy vao izao ny nahitana mpitandro filaminana manampatra fahefana sy mandika ny lalàna toy izao. Mbola nohamafisin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard, koa aza fa tsy hijerena tavan’olona na iza na iza ny fandikan-dalàna fa tsy maintsy iharan’ny sazy henjana ireo mpitandro filaminana tratra mandika lalàna. Tsy natao ho fieren’ny jiolahy rahateo ny eo anivon’ny mpitandro filaminana, araka ny nambarany hatrany.

J.C

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique