Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolo anaka: Fahiratan-Tsaina – Fieritreretana – Fihetsehampo

Kolo anaka: Fahiratan-Tsaina – Fieritreretana – Fihetsehampo

(Fizarana faha-4)

 

  1. Dr Raharison, mety manana « fahatsapana manokana » (hypersensibilité) ve ny olona iray na tsy « marani-tsaina avolenta » (surdoué) aza?

Marina tokoa izany, ary hahazoantsika sary an-tsaina tsara ny fanazavana, ity misy ohatra iray: Efa fantasika fa raha fanjakana ohatra, ny lavotondro no fomba anavahana manokana ny olona roa samy hafa. Fantatra ankehitriny fa ahafahana ihany koa manasokajy ny olona ny lenta fampiasan’ny tsirairay ny taova fahatsapany. Misy tokoa mantsy olona tena manana fahatsapana manokana eo amin’ny trangan-javatra manodidina azy (dégré de sensibilité). Araka ny fandinihana nataon’ny psykiatra amerikanina iray antsoina hoe Aron Elaine, zava-misy eo amin’ny 25% ka hatramin’ny 30% ny mponina ny fananana fahatsapana manokana (hypersensibilité) izay miteraka ihany koa fihetseham-po mihoatra ny mahazatra. Ireo marani-tsaina avolenta (surdouance) kosa, 2%-n’ny mponina eo ihany ny manana azy. Na izany aza, saika be fihetseham-po avokoa ny ampahany betsaka amin’ny olona marani-tsaina avolenta.

  1. Fa inona ny tena dikan’ny hoe manana « fahatsapana manokana » (hypersensible)?

Mora iantefan’ny zava-misy manodidina azy ny olona manana fahatsapana manokana (hypersensible, ultrasensible). Noho izany, olona manana toetra mora tohina na mety mora taitra sy mora andairan-javatra izy. Ankoatra izay, mora mandray zavatra sy mora mahatsikaritra ihany koa raha ampitoviana amin’ny sasany. Amin’ny fiainana andavanandro, misongadina izany eo amin’ny fihetseham-po maro asehon’ilay olona (mora taitra, mora mitebiteby, mora tohina). Marihina fa toetra mampiavaka ny olona iray tsy itovizany amin’ny olona hafa ny fihetseham-po. Matetika, ampangaina fa befihetsiketsehana na koa manao sarin’ady fotsiny ny olona be fihetseham-po, lazaina koa fa mampiesona sy mandrebireby (manipulateur). Misy aza manendrikendrika azy ireo fa voan’ny aretin-tsaina toy ny« paranoïa » na ny « hypokondria » na ny « hysteria » mihitsy aza.

  1. Mba hampazava kokoa ny fanazavanao, afaka milaza aminay santionan-javatra vitsivitsy misy eo amin’ny olona manana fahatsapana manokana ve ianao?

Raha eo amin’ny lafiny fahatsapan-javatra (sensation), tonga dia mahita sy mahatsikaritra ny antsipirian-javatra tsy hitan’ny besinimaro izy. Tsikariny avy hatrany raha vao misy fiovana kely eo amin’ny olona iray na ao anaty efitra iray mahazatra azy. Raha misy fiarahan’olona maromaro amin’ny toerana iray, tsapany avy hatrany raha toa ka misy mandringa eo amin’ny fifaneraserana. Izy koa, mety ho mora sarotiny ka tsy mahatanty zavatra sasany, na feo izany, na fofona na hazavana izay tsy mahazatra azy. Raha kasihina kely fotsiny aza ny hodiny, mety ho taitra na hitsamboatra izy. Raha mpiangaly zavakanto, ohatra, hoe mozika indray izy, marani-tsofina ka afaka mamerina mitendry feon-kira vao avy nohainoiny amin’ny zavamaneno iray.

Anisan’ny toetra misy eo amin’ny olona manana fahatsapana manokana ny maha be fihetseham-po azy .Ohatra amin’izany, marivo ranomaso, eny, migogogogo aza izy raha vao misy mampalahelo kely azy. Mihorohoro sy mora matahotra ihany koa ny tenany rehefa mitamberina ao an-tsainy ny zavatra maro nitranga sy nihatra taminy. Izy kosa, mahay mihaino sy mora mahatsapa izay mitranga eo amin’ny olona ka matetika ny hizaran’ny olona tsiambaratelo sy anankinan’ny hafa ny olam-piainany izy. Mora manolo-tena manampy ny hafa koa izy ary matetika, tsara sy malemy fanahy sady manome tsy misy tambiny.

Eo amin’ny lafiny fitiavana (olon-droa), matahotrany ho raiki-pitia amin’ny olon-tiany ny olona be fihetseham-po : matahotra izy sao misedra fijaliana, na misy manary na misy mamela ho irery. Rehefa mitia izy, omeny manontolo sy tsy misy takalony ny fony sy ny tenany.

 

 

 

                                                                       Nangonin’i Tatiana

                                                                                                          (Hitohy)

Les commentaires sont fermées.